Galatians 2

1Efatra ambin’ny folo taona taty aoriana dia niakatra tany Jerosalema indray aho niaraka tamin’i Barnabasy, dia nitondra an’i Titosy niaraka tamiko. 2Niakatra tany nohon’ny fanambarana iray aho ary nametraka teo amin’izy ireo ny filazantsara izay toriako eo amin’ireo Jentilisa. Niresaka mitokana tamin’ireo izay noheverina ho manan-danja aho, mba hahazoana antoka fa tsy nihazakazaka _ na efa nihazakazaka _ very maina aho.

3Fa na Titosy aza, izay niaraka tamiko no sady Grika, dia noterena ho voafora. 4Niditra mangingina ireo rahalahy sandoka mba hitsikilo ny fahafahana hanananay ao amin’i Kristy Jesosy. Naniry ny hanandevo anay izy ireo, 5fa tsy nety ny hanaiky azy ireo na dia fotoana kely aza izahay, mba hitoeran’ny fahamarinan’ny filazantsara aminareo.

6Fa ireo izay noheverina ho manan-danja (na inona na inona izy ireo dia tsy mampaninona ahy, Andriamanitra dia tsy miangatra) _ lazaiko, ireo, izay heverina ho manan-danja dia tsy nanampy na inona na inona tamiko. 7Mifanohitra amin’izany, hitan’izy ireo fa nanankinana ny filazantsara ho an’ireo izay tsy voafora aho, tahaka ny nanankinana an’i Petera ny filazantsara ho an’ireo izay voafora. 8Fa Andriamanitra, izay niasa tao amin’i Petera ho amin’ny maha-apostoly ho an’ireo izay voafora, dia niasa tato amiko ihany koa ho an’ireo Jentilisa.

9I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, izay fantatra fa anisan’ireo nanorina ny fiangonana, rehefa nahalala ny fahasoavana izay nomena ahy, dia nanome ny tanana ankavanan’ny fiombonana ho ahy sy Barabasy izy ireo. Nataon’izy ireo izany mba hahafahanay mankany amin’ny Jentilisa, ary mba hahafahan’izy ireo mankany amin’ireo izay voafora. 10Nangataka fotsiny izy ireo mba hahatsiaro ny mahantra izahay, izay zavatra tena tiako atao tokoa.

11Fa rehefa tonga tany Antioka i Kefasy, dia nanohitra azy teo amin’ny tavany aho satria voalaza fa diso izy. 12Talohan’ny nahatongavan’ireo lehilahy sasany avy any amin’i Jakoba, dia teo am-pisakafoana niaraka tamin’ireo Jentilisa i Kefasy. Fa rehefa tonga ireo lehilahy ireo, dia nijanona izy ary niala lavitra an’ireo Jentilisa. Natahotra ireo izay nitaky famorana izy.

13Ny sisa tamin’ireo Jiosy koa dia niray tamin’izany fiatsaram-belatsihy izany. Na i Barnabasy aza dia voavily lalana niaraka tamin’izy ireo tamin’ny fiatsaram-belatsihin’izy ireo. 14Fa rehefa hitako fa tsy manaraka ny fahamarinan’ny filazantsara ny fitondran-tenan’izy ireo, dia niteny tamin’i Kefasy teo anoloan’izy rehetra aho hoe: “Raha Jiosy ianao kanefa miaina tahaka ny Jentilisa fa tsy tahaka ny Jiosy, ahoana no ahafahanao manery ireo Jentilisa hiaina tahaka ny Jiosy?”

15Isika dia Jiosy tamin’ny alalan’ny fahaterahana fa tsy mpanota Jentilisa; 16fantatsika anefa fa tsy misy olona hamarinin’ny asan’ny lalàna fa amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Isika ihany koa dia tonga tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy mba ho hamarinina amin’ny finoana an’i Kristy fa tsy amin’ny asan’ny lalàna. Fa tsy hisy nofo ho hamarinina amin’ny asan’ny lalàna.

17Fa raha toa ka, mitady ho hamarinina ao amin’i Kristy isika, isika ihany koa, dia hita fa mpanota, moa mamporisika ny fahotana ary ve i Kristy? Tsia avy hatrany! 18Fa raha manangana indray ireo zavatra efa noravako taloha aho, dia manaporofo ny tenako ho mpandika lalàna aho. 19Fa tamin’ny lalàna no nahafatesako amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho.

20Nohomboana niaraka tamin’i Kristy aho. Tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Ny fiainana iainako ao amin’ny nofo ankehitriny dia iainako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izay tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy. Tsy manilika ny fahasoavan’ Andriamanitra aho, fa raha azo amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia tsy misy dikany ny nahafatesan’i Kristy!

21

Copyright information for PltULB